Nitrangana haintrano nahatsiravina indray tany Sambava, omaly naraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Tranombarotra iray lehibe fivarotana kojakojana fiara no nirehitra tao amin’ny fokontany Ambodisatrana, akaikin’ny “rond point”, fantatry ny maro amin’ny hoe “maman’i Dolorès”. Araka ny tati-baovao azo dia niainga tamina afon-tsigara avy tamin’ny trano fivarotana lasantsy iray nifanila amin’ity tranombarotra kila forehitra ity ny afo. Noho ny tsy fisian’ny “mpompier” ao Sambava dia tamin’ny 11 ora antoandro vao tonga ny fiara mpamono afon’ny Adema, ka tsy nisy noraisina intsony fa levon’ny afo ny entana rehetra mitentina an-tapitrisany maro.
Manjaka ny trafikana solika. Mba tsy hitaran’ny afo amin’ireo trano manodidina dia samy niezaka nanondraka rano sy fasika tamin’ny tranony avy ireo mponina manodidina. Ny nanaitra tamin’ity haintrano ity, dia tsy nisy namono ny afo ny ankamaroan’ny olona tonga marobe teny an-toerana, fa variana maka sary fotsiny sy manao “selfie”. Araka ny fanazavana voaray hatrany, dia efa ho herinandro izao no ilaharana mafy ny solika amin’ireo tobin-tsolika misy ao Sambava tampon-tanàna. Vokatr’izany manjaka ny varo-maizina ka samy miezaka manangona izay tratrany ireo mpibizina, ary mivarotra ny lasantsy any anaty tanàna hatramin’ny 6.000 Ariary ny iray litatra, tafakatra 8.000 Ar kosa izany any ambanivohitra.
Eric Manitrisa