Nambaran’ny Adjudant Chef Tsimiambina Henri Pierrot , lehiben’ny Poste Avance ny Zandarimariam-pirenena ao Anjangoveratra izay miadidy iny faritra iny, fa nisy fanafihana mitam-piadiana tao an-tananan’i Mahadera – Fokontany Mahasoa – Kaominina Ambanivohitra Tanambao Daoud – Distrikan’i Sambava ny alin’ny 11/10/2015, teo amin’ny 11ora alina. » Araka ny vaovao azonay tamin’ny tsilian-tsofina dia 7 lahy ireo dahalo nanafika tranon’olona tao ireo », hoy iry lehibe iry. Talohan’ny hidiran’izy ireo tamin’ny tranon’ilay mpanangom-bokatra lavanilina iray niharam-boina tany dia narefotry ireo olon-dratsy ireo ny poa-basy mba hampitahorana ny manodidina tsy hivoaka ny trano ary ilay hotafihina tao amin’io tanàna io dia norahonan’izy ireo tamin’ny basy vita gasy mba hanaiky mora izay takian’izy ireo. Lasan’izy ireo tamin’io alina io ny volan’ilay mpanangom-bokatra mitentina 5 tapitrisa ariary sy lavanilina masaka efa voaiditra anaty sous vide miisa 22, ka milanja eo ho eo amin’ny 400 kilao no lasan’izy ireo. Loharanom-baovao nomen’ny vahoaka tsara sitrapo no nahafahana nanara-dia sy nikaroka ary nisambotra azy ireo. Efa tany Tsarabaria avy eo no nahatratraran’ireo zandary ny roalahy rangory fototry ny asa ratsy. Tratra ary voasambotray ny zandary eto aminay ary ny fitolahy nandray anjara tamin’io heloka io fa tsy mbola tratra kosa hatramin’izao ireo 5 lahy hafa niaraka tamin’izy roalahy efa voasambotray itsy sy ny vola ary ny ampahan-davanilina very.
Nambaran’Atoa Totofeno Modeste, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Tanambaon’I Daoud, lany fanindroany tamin’ny fifidianana farany teo fa: » Ankasitrahinay be dia be ny ezaka vitan’ireo zandary ao Anjangoveratra tamin’ny fanenjehana sy nahatratraran’izy ireo ny olon-dratsy mpangalatra lavanilina izay heloka be vava mampanaintaina mafy isan-taona ny fo sy ny fanahin’ny vahoaka mpamboly . Vonona dia vonona tokoa izaho sy ny mpiara-miasa amiko akaiky ny hiara-miasa mavitrika amin’ny fitondram-panjakana sy ny zandary ka nankaherezany ny zandary manao tsara ny asan’izy ireo. Nentaniny mafy koa ny vahoaka rehetra mba hanampy ireo mpitandro filaminana ireo amin’ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra mba hanafoanana tanteraka ity heloka mahatsiravina sy mangirifiry amin’ny tantsaha ity.
REMI, Rakotonirina