- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Hotely no mpividy ny henan-drajako ?

Sambava : Hotely no mpividy ny henan-drajako ?

rajakoTeo amin’ny fisavana izay nataon’ny pôlisy no nahitana ireo fatin-drajako kely (lémurien)  52. Efa maina ny henan’izy ireo ary miendrika  kitoza . Nosamborina ilay olona tomponandraikitra tamin’ny fitaterana ireo henam-biby ; izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ireto. Tao Ambatondrazaka, Antsirabe-Nord, no sarona ilay fikasan-dratsy. Raha ny fanazavana voalohany azo, dia ahiana ho ao Sambava no làlan’ilay varotra. Misy hotely maka ireo hena, raha araka ny feo avy any an-toerana . Ahiana tanteraka ny hahafoana ny taranak’ireo biby any amin’iny faritra iny, biby izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy rahateo. Tsy tao anatin’ny kolontsain’ny Malagasy ny fihinanana azy ireny ary ahiana ho misy trafika miforona indray ankehitriny, dia ny fanondranana ireo hena. Niverimberina rahateo ny fahitana ireo hena maina tao anatin’ny roa volana izay. Mila fanadihadiana lalindalina satria ho foana ity harem-pirenena iray ity…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici