- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Jiolahy efatra namono nahafaty ilay rangahy 76 taona tany, tratran’ny...

Sambava : Jiolahy efatra namono nahafaty ilay rangahy 76 taona tany, tratran’ny zandary

Tany amin’ny toerana iray atao hoe Andohan’i Befotaka, Fokontany Antsahamanara – Kaominina ambanivohitra     Ambodivoara – Distrikan’i Sambava – Faritra SAVA, tsy lavitra be ny fokontany ao Andatsakala – kaominina ambanivohitra– Distrikan’i Sambava – Faritra SAVA ihany no misy ny tanimboly sy tanin-davanilin’ny ragahy iray, 76taona, avy ao Antsahamanara ka nanorenany trano mba hipetrahany sy hanaovany ny asany any sy hiandrasany ny lavaniliny any. Teo ho eo amin’ny 6ora sy sasany, ny alin’ny 05/07/2016, dia notafihan’iretsy  jiolahy efatra voasambotry ny mpitandro filaminana etsy ambony ilay rangahy voalaza etsy aloha. Ny hangalatra ny voan-davanilina masaka an’itsy rangahy itsy no anton-dian’ireo jiolahy ireo. Mbola tsy tafiditra tao an-tranon’ilay rangahy akory ireo jiolahy ireo, dia henon’ilay rangahy ny feon’ireo olon-dratsy tao ivelany, tsy lavitra ny tranon’izy ireo tany an-tanimboly. Nasainy nivoaka ny tranon’izy ireo sady niafina tanaty lobolobo any ivelan’ny tanon’izy ireo ilay ramatoa vadiny. Ilay rangahy irery no tao an-trano ka tratran’izy 4-dahy tao. Hitan’ilay ramatoa vadin-drangahy fa voatsilon’ny “lampe de poche” nentin’ireo jiolahy nanafika azy ireo ny tarehin’ny roalahy ary fantany tsara. Sady mbola henon’ilay ramatoa tsara koa ny tendan’ireo jiolahy ireo nanontany ny toerana nametrahan’ilay rangahy ny voan-davaniliny. Tsy namabaran’ilay rangahy anefa io toerana nametrahany ny lavaniliny, fa nolazaina tamin’izy ireo fa “ tsy manana lavanilina intsony izy”. Teo no rafitra ny fanafihana  an’ilay rangahy ka nitetehan’izy ireo antsy azy. Rahefa henon’ilay ramatoa fa mafy ny ady dia nitsaitsaika izy nandeha tany amin’ny fokontany ao Andatsakala, tsy lavitra tao ka namoha ny filohan’ny Fokontany tany Anday sakala. Teo no ho eo ihany  nitsoka kiririoka namory ny vahoakany ilay Filohan’ny fokontany. Saika tao daholo ny tanora tao an-toerana,  tsy fantatry ny manodidina sy ny havany kosa ny nalehan’izy roalahy. Rahefa tonga tany ireo fokonolona dia efa ny fatin’ilay rangahy no hita tao fa tsy hita ny nandosiran’ny jiolahy. Rahefa nanara-dia tamin’ny lalana mankany Antsahamanara ireo fokonolona ireo dia rà nitete no tsikaritry ny mpanara-dia. Namonjy ny làlam-pirenena RN 5A mampitohy an’ Andapa sy Sambava izy ireo. Tamin’ny 9ora alina no niantsoan’ireo fokonolona ireo ka nahenoan’ny zandary ity toe-javatra ity. Ny marainan’ny 06/07/2016 dia tonga tany amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ireo zandary avy amin’ny Brigade Territoriale  aty Sambava ka nahita ny rà nitete tamin’ny làlana mankany sy ny fatin’ilay rangahy voafira entsy teo amin’ny fifiny sy nahavoa koa ny sofiny havana ary ny handrina ary ny tànan’ilay rangahy maty. Nohenoin’ireo zandary koa ny fanazavan’ilay ramatoa, vady navelan’ilay rangahy sy ny an’ny filohan’ny fokontany mbamin’ny an’ny andrimasom-pokonolona nanara-dia. Teo noho eo ihany koa dia nampandre ny mpitandro filaminana manodidina ny Commandant Brigade. Ny 07/07/2016, tany Andapa, no nahatraran’ny Polisy any an-toerana azy roalahy nanjavona tsy hay tany naleha tao Andatsakala sy tsikaritr’ilay ramatoa niafina tanaty lobolobo. Hita tokoa fa naratra ny tànan’ny jiolahy iray. Rahefa nohadihadian’ny zandary izy roalahy dia nambaran’izy ireo koa fa misy roalahy hafa niaraka tamin’izy ireo nanao ity fanafihana feno habibiana ity. Tao Maroambohy kosa no nahatraran’ny zandary ny roalahy hafa voatonon’ireo namany rahefa nokarohin’ny zandary tany an-toerana.

Tamin’ny fanadihadian’ny zandary azy ireo dia samy niaiky ny heloha vitany ireo jiolahy ireo ka natolotry ny zandary eto SAMBAVA ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Antalaha.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici