- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Jiolahy mpamono olona efatra voasambotra

Sambava : Jiolahy mpamono olona efatra voasambotra

Taorian’ny fanafihana nitam-piadiana narahina vono olona nitranga tao amin’ny Fokontany Andakoro, Kaominina ambanivohitra Marojala, any amin’ny Distrikan’i Sambava, izay nahafatesana olona roa tsy manan-tsiny sy naharatrana olona roa hafa, ny herinandro iny, ka rehefa nokarohina fatratra natao hazalambo ireo olon-dratsy, dia voasambotry ny zandary ny alatsinainy teo ny efa-dahy tamin’ireo jiolahy. Raha ny nambaran’ny Kaomandin’ny Kaompanian’ny Zandarimaria Sambava, ny Kapiteny Mahavorisoa Emilien, nitafa tamin’ny mpanao gazety, 55 taona no zokiny indrindra amin’ireto olon-dratsy, izay hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela, raha mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana ny naman’ireto jiolahy mbola miriaria any rehetra any. 

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici