Nanomboka ny volana desambra no mankaty, nahazo laka ny halatra lavanila manta any amin’ny Faritra Sava, ka velon-taraina ireo tantsaha mpamboly. Eo anatrehan’ny firongatry ny halatra lavanila maitso eny an-tsaha, manao « opération » fanenjehana an’ireo olon-dratsy (mpangalatra sy mpanao lavanila mialohan’ny fotoana voatondro) ny mpitandro filaminana, ka noho ny fanomezan’olon-tsotra tsara sitrapo loharanom-baovao mari-pototra ny Zandary, voasambotra tao Ambavala afak’omaly niaraka tamin’ny lavanila maitso tsy mbola matoy nilanja 60 kg ny telo tamin’ireo jiolahy miisa enina ikoizana amin’ny halatra lavanila any amin’ny Distrikan’i Sambava. Rehefa nofotorana lalina ireto dahalon-davanila azo sambo-belona ireto, dia nitanisa ireo toerana nangalaran’izy ireo lavanila mbola tsy matoy teny an-tsaha, ka tao amin’ny Fokontany Antongompahitra Kaominina ambanivohitra Bemanevika no nanombohan’izy ireo ny halatra, ny 19 febroary lasa teo. Nitohy tao Andohan’Antsahabe any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambodiampana sy tao Bemalamatra Kaominina ambanivohitra Nosiarina izany, ny 29 febroary teo. Ny 01 martsa teo kosa, nandroba lavanila maitso tao Analampotsy Kaominina ambanivohitra Andratamarina ireto jiolahy, ary tao Ambavala Kaominina ambanivohitra Andrahanjo ny alarobia teo, ka izao tra-tehaka tsy afa-nandositra izao intsony ny telo tamin’ireo mpangalatra. Nopotehina teo anatrehan’ny mpitondra sy tompon’andraiki-panjakana any an-toerana ireo lavanila manta sarona, ary nalevina avy eo. Hatalotra ny Fampanoavana tsy ho ela ireto dahalon-davanila telo lahy azo sambo-belona, raha mbola mitohy hatrany kosa hatramin’izao ny fikarohana an’ireo namany telo tafaporitsaka nitsoaka tany anaty ala.
Eric Manitrisa