- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Lahiantitra 60 taona tra-tehaka nangalatra lavanila

Sambava : Lahiantitra 60 taona tra-tehaka nangalatra lavanila

Lahiantitra fotsy volo iray sahabo 60 taona eo no tra-tehaky ny miaramilam-pokontany nivarotra lavanila halatra tsy matoy, afak’omaly antoandro tokony tamin’ny 11 ora, tao Ambohimanarina Lokoho, Distrikan’i Sambava. Araka ny tati-baovao voaray, dia teo am-pitadiavana mpividy ity lahiantitra ity no nifanehatra tampoka tamin’ireo “quartier mobile”, ka nosamborina avy hatrany. Rehefa teny an-dalana hihazo an’i Sambava tampon-tanàna mba hatolotra ny mpitandro filaminana ity rangahibe ity, dia tafaporitsaka ka nifanenjehan’ny miaramilam-pokontany roalahy matanjaka nitondra azy, ary tany Amboangibe vao tratra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici