- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Lasan’ ny jiolahy nitondra “kalach” ny lavanila 5kg sy vola...

Sambava : Lasan’ ny jiolahy nitondra “kalach” ny lavanila 5kg sy vola 80 000 Ariary

Saika isan’andro tato ho ato dia andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-basy foana any amin’ny Distrikan’i Sambava, renivohitry ny Faritra SAVA. Ny alin’ny zoma teo, tokony tamin’ny 11 ora alina, jiolahy maromaro nisaron-tava nanao fanamiana karikary izay samy nitondra basy kalach avy no niditra an-keriny tamina tokantrano iray tao Antanifotsy Sambava. Vao tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy dia nitoto vodim-basy ny lohan’ilay tompontrano, ary noteren’ ireo jiolahy mafy mba hanoro ny misy lavanila tao an-tranony ity raim-pianakaviana voatafika, raha ny fijoroana vavolombelona nataony. Lasan’ireo jiolahy tamin’ity fanafihana mitam-basy maherivaika ity ny lavanila masaka milanja 5kg niampy lamba fripy anaty gony sy lelavola valo alina Ariary.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici