vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Lavanila an-taonina nentina tamin'ny taxi-brousse

Sambava : Lavanila an-taonina nentina tamin’ny taxi-brousse

Olona roa no voasambotra ary somary hafakely ny fisehoan’ilay fahatratrarana ireto mpitatitra lavanila tsy ara-dalàna ireto. Sendra nisy polisy nandeha tamin’ilay taxi-brousse nisy ireo roa lahy, ary io no nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ny fihetsika sy resaka tao anaty fiara. Nampandrenesiny tsimoramora ny barazy tsy maintsy handalovan’ilay fitaterana. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ambariomihambana no nosakanana ny fiara ary nosavaina ny entana tao anatiny. Nitombina tokoa ny fanahian’ilay mpitandro ny filaminana. Nahitàna lavanila nilanja 1,4 taonina tao anatin’ny fiara. Avy hatrany dia nosamborina ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny raharaha. Fitaterana lavanila maitso tsy mararaka ny lalàna momba ny fiotazana, ny fitaterana ary ny famarotana izany no vesatra miandry azy ireo. Tsy nanana karapanondrom-pirenena ihany ireo roa lahy nitondra lavanila ary tsy nisy taratasy nahafahana namantatra azy ireo mihitsy teny aminy, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Avy hatrany dia nentina namonjy ny birao ireo roa lahy ireo ary nanokafana fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici