Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany sambava, ny alahady naraina teo tokony ho tamin’ny 9 ora, tao amin’ny Fokontany Ambohitrakongona, ka lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo tra-tehaka nangalatra anamalao teny an-tsaha tao Ambilo no maty nofirain’ny tompon’ny tanimboly tamin’ny antsibe teo amin’ny lohany, rehefa nahatona teny ambony hazo. Raha ny fanazavana azo araka ny tati-baovao voaray, dia tsy navelan’ ireo andian’ olona avy ao amin’ny Fokontany Antanifotsy I izay tompom-boly natolotra ny mpitandro filaminana ity mpangalatra tra-tehaka voalaza fa monina ao an-tanànan’ i Nosy-be Sambava, fa novonoin’ izy ireo teo no eo nanamparan’ izy ireo ny hatezerany. Rehefa nihosin-drà ilay mpangalatra anana voavono dia natsipy tany anaty alan’ Ambilo. Manoloana an’ity fitsaram-bahoaka ity dia sahiran-tsaina mafy ny Lehiben’ny Fokontany ao Ambohitrakongona, satria lasa romotra amin’ny firongatry ny hala-botry ireo mpamboly leom-boan’ anana, ka izay olon-dratsy tratra sy voasambotra dia mitondra faisana hatrany iharan’ny hatezeram-bahoaka.
Eric Manitrisa