- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Lozam-pifamoivoizana, olona iray maty, dimy maratra mafy

Sambava : Lozam-pifamoivoizana, olona iray maty, dimy maratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny PK 6+966m amin’ny làlam-pirenena faha 5bis mampitohy an’i Sambava sy Andapa, ny alarobia 16 aprily lasa teo, tamin’ny amin’ny 9 ora sy sasany. Tao amin’ny tanàna iray atao boe Bekona, ao anatin’ny fokontany sady renivohitry ny kaominina ambanivohitra Ambohimalaza, no nisehoan’ny loza. Vokany, olona iray no maty ary dimy hafa naratra mafy. Araka ny nambaran’ny olona vitsivitsy nahita maso ny loza dia nitodi-doha niankandrefana mankany Andapa ilay fiara Mercedes 5OO niharan-doza. Olona enina no tao anatin’ilay fiara. “ Nisy mpitaingina bisikilety nitodi-doha niankandrefana teo alohan’ilay fiara Mercedes 500 ary misy car minibus iray efa nijanona talohan’izy ireo. Tian’ilay mpitondra Mercedes nioharana anefa ilay mpitaingina bisikilety teo alohany, izay lasa teo aorian’ilay minibus mijanona amin’ny sisin-dàlana. Tsy voafehin’ny mpamily Mercedes anefa ny volant tamin’ny fiara entiny, ary izy nandeha mafy, ka nanao zig zag. Tamin’izany mihitsy no nahavoadona an’ilay mpitaingina bisikilety, izay maty teo no ho eo. Nivadika sy nanindry ny ilany havia ilay Mercedes 5OO.

Nentin’ny havany nankao Ambodivoara ilay razana fa nampidirina any amin’ny hopitalibe CHRR Besopaka kosa    ireo olona dimy hafa nentin’ny fiara ka naratra mafy.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser