Nambaran’ny Adjudant Chef, Lehiben’ny Brigade Routiere aty SAVA; izay nandefa zandary nijery ny loza sady niandraikitra ny fanadihadiana momba ilay lozam-pifamoivoizana izay nandratra olona 11 taminay voalohan’ny volana novambra lasa teo, dia ny firimorimon’ny fiara anankiroa samy mpitatitra olona avy aty Sambava ho any Andapa izay nifanenjika te hahazo mpandeha ka mifanao aloha sy afara no fototry ny loza niseho teo amin’ny PK 15 amin’iny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an’ireo tanana roa ireo iny. Tao amin’ny Fokontany Antsahalalina, kaominina Ambanivohitra Ambohimalaza – distrikan’i Sambava izany.
Rahefa nijanona nampidina mpandeha iny mantsy ny fiara iray teo aloha, dia nirimorimo nihoatra azy ilay iray avy ato aoriana mba hanenjika ny mpandeha ao aloha ka nivarina an-kady. Nandratra mafy mpandeha 11 izany lozam-pifamoivoizana izany, ka nisy tamin’izy 10 mianadahy niharam-boina ireo ny tapa-taolana, teo amin’ny tongony. Nampidirina avy hatrany ao amin’ny Hopitalibe CHRR ao Besopaka ny 9 fa ny iray kosa nalefan’ny havany any amin’ny Hopitaly SALFA Loterana ao Ampandrozonana, samy eto Sambava avokoa. Nieren-doza amin’antambo tamin’io loza io kosa ny mpianadahy kely niaraka tamin’ny renin’izy ireo. Zazavavy vao enim-bolana ny iray ary zazalahy 2 taona mahery kely kosa ny faharoa.
REMI, Rakotonirina