Raim-pianakaviana iray voalaza fa mamon-drongony no namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny zanany menavava vao teraka iray volana mahery kely, afak’omaly tolakandro tokony tamin’ny telo ora, tao an-tanànan’i Bekatseko, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andapabe, distrikan’i Sambava. Raha ny fantatra, dia niady tamin’ny vadiny ity raim-pianakaviana ity, ka taorian’ny heloka be vava vitany dia nitsoaka izy, ary nifanenjehan’ny fokonolona. Rehefa voasambotra ity lehilahy voatondro ho namono ny zanany ity, dia niharan’ny hatezeram-bahoaka avy hatrany, ka nataon’olona nahatsiaro sy nitondra nangirifiry mafy, hoy ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa