- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Manomboka sahady ny halatra lavanila manta

Sambava : Manomboka sahady ny halatra lavanila manta

Ny zanaka sy zafin’ny ramatoabe, tompon’ny voan-davanilina avy ao amin’ny fokontany Antsirabolo – kaominina ambanivohitra Ambodivoara, distrikan’i Sambava, mihitsy no nitady anay mpanao gazety omaly 14/04/2015, anoratanay izao lahatsoratra izao. Nambaran’ity lehilahy mpamboly lavanilina ary filohan’ny andrimasom-pokonolona ity taminay fa :  » efa nangalarin’olona tamin’ny alin’ny 12/04/2015 ny voan-davanilina ifotony, ampahany betsaka amin’ny voan-davanilin’ny renibeny sy ny an’olona telo hafa, tany an-tsaha atao hoe Ambalahady, 2km eo atsinanan’ny fokontany onenanay. Vehivavy samy efa antitra avokoa izy rehetra niharan’ny halatra lavanilina ifotony izany. Koa manaitra ny fitondam-panjakana momba izao zava-misy izao aho, indrindra fa ny mpiambina “barrage” rehetra mba hisava sy hisambotra izay fiara sy ny olona mitondra ireny voan-davanilina maitso ireo, fa mbola tsy matoy tsara ary tsy mbola misy filazana rahateo fa efa manomboka ny tsena.. Tsara dia tsara ny voan-davanilina tamin’ity taom-pamokarana ity satria tsy betsaka ny foleran-davanilina nihintsana. Vaky, toy ny isan-taona, amin’izao fotoana izao, ny fiandrasana ny voan-davanilina any an-tsaha amin’ny alina ka tsy hatorianay tantsaha eo anilan’ny vady aman-janakay intsony”.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser