- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mirongatra ny halatra lavanila manta arahana vono olona

Sambava : Mirongatra ny halatra lavanila manta arahana vono olona

Nanomboka ny fiandohan’ity volana janoary ity, dia nirongatra izay tsy izy ny halatra lavanila manta am-potony eny an-tsaha, any amin’ny Distrikan’i Sambava, ka mandry andriran’antsy ireo tantsaha mpamboly noho ireo dahalon-davanila mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika mihitsy mandritra ny asa ratsiny. Ny asabotsy maraina, dia lavanila manta tsy matoy roa gony no tratra andro tsy voatatitr’ireo mpangalatra, tany Anjahamarina Kaominina ambanivohitry Morafeno. Nampakarina an-tanàna ireto vokatra halatra ireto, ary napetraka tao amin’ny biraon’ny Fokontany. Na dia nanao ny tsongo-dia ny/ireo mpandroba aza ny Fokonolona, dia tsy tratra ny nahavanon-doza. Mahakasika izay halatra lavanila manta izay hatrany, dia lahy antitra iray niambina ny sahan-davaniliny no nofirain’ny vinantony tamin’ny antsy goro lava lela, tany Maromitsidika Andranomifototra. Raha ny tati-baovao voaray, dia teo am-pangalarana lavanila tsy matoy ity vinanto no tratran-drafozany, afak’omaly hariva. Karohina fatratra atao hazalambo amin’izao ilay mpangalatra sady mpamono olona nitsoaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici