- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena ny basy

Sambava : Mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena ny basy

Basy vita gasy avokoa izy ireo. Miisa telo no sarona nandritry ny fisavàna tampoka nataon’ny pôlisy izay miasa ao an-toerana. « Revolver » ny roa ary basim-borona ny iray. Fiara izay mivoaka sy miditra no nosavaina tampoka avy amin’ny fametrahana barazy teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ambarimihambana. Teo no nahatratrarana ny basy roa izay niaraka tamin’ny bala maromaro. Tsy fantatra ho basy ireo satria efa noravaravaina ny piesiny. Izany dia mba entina hanamorana ny fitaterana azy satria mora fantatra ny basy lava raha izy tenany iny no atao anaty entana iray. Saika hamidy tao Sambava no tanjon’ny olona nitondra azy, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Ny tranga faharoa indray izay nahitàna ny basy fahatelo dia mahakasika olona izay nandrahona olon-kafa tamin’ny basy. Nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana teo ary tonga teny an-toerana nijery ny zava-nitanga. Rehefa izany dia nilaza ilay mpandrahona fa polisy ny tenany. Tsy nampihemotra ny mitandro ny filaminana ny tsy nisambotra azy izany. Rehefa nisokatra ny fanadihadiana izay nanomboka tamin’ny fanamarinana ny momba azy dia efa hita sahady fa tsy polisy velively izy fa nisandoka andraikitra. Vao mainka aza

Efa natolotra ny fampanoavana ary efa voatazona am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona 03 voasambotra ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici