- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Moto nirimorimo fandeha nifatratra tamin'ny 4x4, tovolahy iray maty tsy...

Sambava : Moto nirimorimo fandeha nifatratra tamin’ny 4×4, tovolahy iray maty tsy tra-drano

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo, nitondra moto nirimorimo fandeha no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana, ny tolakandron’ny zoma teo, tamin’ny 4ora, raha iny hiditra ny tanànan’Ambohimanarina Lokoho, any amin’ny distrikan’i Sambava iny. Nosokirina tao ambanin’ny fiara 4×4 mihitsy ilay mpitondra moto nanao taingin-droa, raha nipitika lavitra kosa ny namany tao aoriana niaraka taminy izay naratra mafy. Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia nateti-pitranga ny loza-mpifamoivoizina amin’ny lalam-pirenena sady be fiolanana no feno fiakarana sy fidinana mampitohy an’i Sambava sy Andapa iny. Manampy trotraka ny lalana ihany koa ny ranontany sy ireo vatan-kazo nazeran’ny rivodoza Enawo farany teo iny, izay manery lalana ka lasa mampidi-doza.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici