“Tato ho ato, nitombo isa ny fitarainan’olona voaroba tamin’ny vaky trano teto an-tampon-tanana”, hoy Atoa Saramba Joseph, Commissaire de Police eto Sambava. Araka ny hitan’ny mpaanao gazety maso tokoa mantsy dia entana mivangongo tratran’ireo polisy eto Sambava ireo no mameno toerana ao. “Chaise salon, coussin de chaise salon, matelas en eponge, lecteur CD, groupes électrogènes, panneau solaire hatramin’ny ordinateur portable » sy ny moto koa. Arak’io hitanao amin’ny sary io, dia enin-dahy indray ireo mpamaky trano tratran’ireo Polisy ireo ka « ny roa tamin’izy ireo, hoy ihany ny Commissaire, dia olona efa voarohirohy sy tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ny raharaha hafa teo aloha, ka efa any am-ponja nefa mbola voatonontonon’ireo namany niara-dia amin’izy ireo amin’ny asa maizina nataon’izy ireo taloha.
Averimberin’ny commissaire-n’ny Polisim-pirenena eto Sambava mandrakariva, ny teniny hoe: « Misaotra sy mankasitraka ireo olona tsara sitra-po izay manome vaovao marim-pototra anay mpitandro filaminana ary manentana azy ireo sy ny hafa koa mba hanome anay ny vaovao toy izany hatrany . Avy amin’izany manko, hoy ihany izy, no hahafahanay miady mafy sy manao haza lambo ireo olon-dratsy ireo, mba hahafahana mamongotra , na farafaharatsiny hampihenanana ny asa fanaovan-dratsy eto an-tampon’ity tanana mamintsika ity ».
REMI, Rakotonirina