Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny Zandary, dia nampidirina am-ponja vonjimaika omaly ilay lehilahy mpitondra Bajaj iray voalaza ho tsy tan-dalàna, izay niady nanao moraingy tamina Polisy monisipaly, ary nandratra ity farany, ny talata teo, tany Sambava. Raha ny fanazavana azo, araka ny fampitam-baovao voaray, dia malaza ratsy tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ity mpamily Bajaj mpanao taingimbe ity. Rehefa nosakanan’ ny Polisy monisipaly mandrindra ny fifamoivoizana ny marainan’ny 22 aogositra teo izy, dia saika tsy hijanona. Rehefa tafajanona ity mpitondra Bajaj mirehareha fatratra fa manana olona ambony mpiaro azy hono, dia vava ratsy niampy teny tsy faseho masoandro no azon’ny mpitandro filaminana nanakana azy, ka raikitra ny fifamaliana niafara tamin’ny ady totohondry an-dalambe nigagam-bahoaka. Voatery niditra an-tsehatra hatramin’ny Filohan’ny Fokontany Ambodisatrana II nandamina haingana ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra azo, dia tezitra tamin’ny famonoana Polisy monisipaly ity ny mpitondra sy ireo mpitantana ary tompon’andraikitra ao Sambava renivohitry ny Faritra Sava, ka raha ny fantatra dia hofaizina mafy ity mpitondra Bajaj ity, mba ho anatra ho an’ireo hafa te hitsivala-mandry.
Eric Manitrisa