Sambava : Mpampianatra tra-tehaka nanodinkodina ankizivavy mpianany 13 taona

5
340

Raim-pianakaviana iray mpampianatry ny Epp voalaza fa nanodinkodika ny mpianany ankizivavy 13 taona no voasambotra tao Antsahavaribe, Distrikan’i Sambava, afak’omaly. Tsy afa-niala intsony ity mpanabe ity, satria teo am-panaovana fomba mamohetra tamin’ilay “tsaiky” tao an-trano izy no tra-tehaky ny rain-jazazavavy. Noho ny tahotra ny higadra sy hiharan’ny fitsaram-bahoaka, dia nangataka nanao raharaham-pihavanana hanolotra omby vosotra iray ramose. Araka ny tati-baovao voaray, dia niteraka fizarazaran-kevitra tamin’ ireo ray aman-dreny tao an-tanana ity tranga ity, satria raha handeha hampiakatra ny raharaha, dia iza indray no hanabe ny zanatsika eto, hoy ny sasany tamin’ ireo ray aman-dreny, nandritra ny kabary tao amin’ny fokontany, omaly. Miahiahy mafy kosa ny hafa, fa raha hiroso amin’ ny fandaminana ihany ny anivon’ny Kaominina, dia sao ho ny zanakay indray no tafihin-dramose hanaovany ny fomba ratsiny amin’ny manaraka. Ho hita eo, ary hotaterina amintsika mpamaky hatrany ny tohiny raharaha.

Eric Manitrisa

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici