- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpampianatra tra-tehaka nanodinkodina ankizivavy mpianany 13 taona

Sambava : Mpampianatra tra-tehaka nanodinkodina ankizivavy mpianany 13 taona

Raim-pianakaviana iray mpampianatry ny Epp voalaza fa nanodinkodika ny mpianany ankizivavy 13 taona no voasambotra tao Antsahavaribe, Distrikan’i Sambava, afak’omaly. Tsy afa-niala intsony ity mpanabe ity, satria teo am-panaovana fomba mamohetra tamin’ilay “tsaiky” tao an-trano izy no tra-tehaky ny rain-jazazavavy. Noho ny tahotra ny higadra sy hiharan’ny fitsaram-bahoaka, dia nangataka nanao raharaham-pihavanana hanolotra omby vosotra iray ramose. Araka ny tati-baovao voaray, dia niteraka fizarazaran-kevitra tamin’ ireo ray aman-dreny tao an-tanana ity tranga ity, satria raha handeha hampiakatra ny raharaha, dia iza indray no hanabe ny zanatsika eto, hoy ny sasany tamin’ ireo ray aman-dreny, nandritra ny kabary tao amin’ny fokontany, omaly. Miahiahy mafy kosa ny hafa, fa raha hiroso amin’ ny fandaminana ihany ny anivon’ny Kaominina, dia sao ho ny zanakay indray no tafihin-dramose hanaovany ny fomba ratsiny amin’ny manaraka. Ho hita eo, ary hotaterina amintsika mpamaky hatrany ny tohiny raharaha.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici