Betsaka ny ankizivavy manomboka 12-16 taona , no mitsoaka ny tokantranon’ny ray aman-dreniny ao Sambava ary misy tsy hita mihitsy hatramin’izao. Raha natao ny fanadihadiana lalina, dia noho herisetra izay mahazo azy ao an-tokantrano, misy koa voasariky ny fitaoman-dratsy avy amin ny namany, ka lasa mitoka-monina amin’ny toby iray izay tsy lavitra an’i Sambava fa somary anaty ala izay ahitana tobina zaza maditra ary mbola tsy ravana hatram’izao. Misy ihany koa ireo izay misy manafina, ka ity farany ity no nitranga tany amin’ny tanànan’ Ankadirano, kaominina ambanivohitry ny Farahalana, distrikan’i Sambava. Rehefa tonga ny fialantsasatra dia nody tany amin’ny ray aman-dreniny ity zazavavy 14 taona ity ary mbola amin’ny kilasy 5ème izy amin’izao.
Tsy teo an-tanana anefa ny ray aman-dreniny fa nanatitra ny zokiny izay hanala bakalorea tany Sambava renivohitra. Teo no nisy tsy nampoizina nitranga. Nalain’ny mpampianatra ilay zaza ary nentin’ny tamin’ny toerana tsy fantatra. Tamin’ny 17 agositra teo vao taitra ny renibeny, ka nanao fikarohana. Telo andro nitadiavana ny alatsinainy , talata ary ny alarobia tsy nahita ary nampandre ny reniny sy ny rainy tany Sambava, mba hampandre ny mpitandro filaminana. Rehefa heno fa nikorontana ny Tanàna dia indro ilay mpampianatra nitsaikaika moramora nanatitra ilay zazavavy. Niezaka nandamina ny lehiben’ny fokontany mba tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka toy ny tao Ampanefena farany teo. Rehefa noraisina ny zaza dia nahitana vola 40 000 ariary teny an-tanany. Nohadihadiana izy ary nanambara fa avy tamin’ny “maitresse” io vola io . Fomba ahoana? Nitantara ilay zaza fa nasainy natory tamin’ny zanany lahy , ka io vola io no hividiananao zavatra tianao hoy ilay mpampianatra.
Noho ireo rehetra ireo voatery hametraka fitarainana amin’ny herinandro ho avy io ny ray aman-drenin’ilay zazavavikely, mba hisokafan’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Efa lasa kilalao indraindray ity resaka hala-jaza sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ao Sambava ity, ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky izany, fa indrindra ny ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fiarovana ny zon’ny vehivavy.
V.JCL