- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Mpanao gazety nosamborina

Sambava : Mpanao gazety nosamborina

Nanoloana ny tsaho niely niainga tao an-tanànan’i Nosiarina izay nampikoron-tsaina fatratra ny mponina tany amin’ny Distrikan’i Sambava sy tany amin’ny Faritra Sava, nanomboka afak’omaly hariva ka hatramin’ny omaly naraina, nilaza fa tsy azo ampiasaina sotroina na handroana, ny andron’ny omaly alahady, ny rano avy amin’ny renirano malaza, fa misy poizina, dia nanao valan-dresaka ho an’ny Mpanao gazety, omaly naraina, tamin’ny sivy ora, tao amin’ny biraon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Sava, ireo tompon’andraikitra isany avy ao amin’ny Rano, ny Fahasalamam-bahoaka, ary ny Mponina.

Nambaran’ny talem-paritra ny Rano, Atoa Tsirinasy Fenoriky, fa tsaho ninia naely io mba entina hanakorontan-tsaina ny vahoaka. « Tany tan-dalàna sy misy fanjakana ny eto Madagasikara, ka tsy maintsy tadiavina sy karohina izay mpanely vaovao tsy marina », hoy ity tompon’andraiki-panjakana ity hentitra. « Tsy misy fanapoizinana izany ny rano, ary tsy voaporofo izany, fa manentana antsika kosa mialohan’ny ampiasana azy mba diovy, satria ny rano dia zavatra ilaina », hoy Ny Médecin Inspecteur, Dr Volamiarana Adelaide, nanamafy.  « Aorian’izao fanazavana ataonay izao, dia aoka isika ho tony, ary raha misy zavatra miteraka savorovoro eo anivon’ny fiaraha-monina tahaka iny, dia anjarantsika mpitondra no mampitony ny vahoaka, fa tsy isika indray koa no vao maika mampiasa loha azy ireo », hoy ny Dr Marinjara Paul Edhino, talem-paritry ny Mponina. Taorian’ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity, raha iny teny an-dalana hamonjy ny toeram-piasany iny, tokony tamin’ny 10 ora, dia nosamborin’ny Polisy ny Mpanao gazety Rajaonina Marino. Notondroina ity farany, fa avy tamin’ny « publication » nataony tao amin’ny « facebook », ny alin’ny asabotsy teo, tamin’ny 10 ora sy 4 minitra, izay nanao hoe : « Noho tsaho (rumeur) no tsy mampatory ny olona iray tanàna ao Nosiarina amin’izao » no antony niteraka ny savorovoro, ka voatery notazonina niatrika famotorana avy hatrany i Marnolat, ary nandritra ny adiny roa ny fanadihadiana natao azy, tao amin’ny biraon’ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena Sambava. Raha ny loharanom-baovao, dia hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici