Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy ao an-tampon-tanànan’i Sambava, dia kivy ny mponina, satria amin’izao fotoan’ny « Vavasaha » fiakaran’ny vokatra lavanila izao, dia tsy mifidy asiana sy robaina intsony ireo jiolahy, fa izay sendra azy ireo dia mitondra faisana avokoa. Ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata, tokony tany amin’ny iray ora naraina tany ho any, dia tranona tovovavy mpiasana haino aman-jery mipetra-drery, izay monina ao amin’ny Fokontany Besopaka no norobain’ny andian-dahalo nitam-piadiana, ka lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny entana rehetra tao an-trano, ary nadio sy babangoana ny trano novantanan’ny tompony omaly. Raha ny fanazavana azo, dia tsy tao an-tranony ny tompon-trano tamin’io fotoana io, fa namita iraka tany Antalaha nanomboka ny asabotsy naraina teo. Raha ny vaovao voaray hatrany, noho ny tahotra, tsy nisy sahy nivoaka ny trano na dia iray ireo mpifanila-bodirindrina.
Eric Manitrisa