- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpandraharaha mpivarotra drakaka, voaroba 1 tapitrisa Ar

Sambava : Mpandraharaha mpivarotra drakaka, voaroba 1 tapitrisa Ar

Tato anatin’ny iray volana dia nirongatra sy nifanesy ny fandrobana sy ny fanafihana mitam-piadiana ary ny vono olona, any amin’ny distrikan’i Sambava, renivohitry ny faritra Sava. Lehilahy mpandraharaha iray avy any Antalaha ; izay mpamongady drakaka no notafihan’ andian-jatovo mahery fihetsika mitam-piadiana, tao amin’ny fokontany Ambodisatrana, ao Sambava tampon-tanàna, ka voaroba tamin’izany ny lelavola mitentina iray tapitrisa ariary. Raha ny vaovao voaray, dia avy nivarotra drakaka tany Andapa ity raim-pianakaviana voatafika ity, nefa rehefa tonga tao Sambava izy, raha iny saika hihazo an’ Antalaha toeram-ponenany iny, dia niangavian’ny namany akaiky azy mba hijanona kely hiala sasatra. Tsy hay izay nitranga taorian’izay, fa nentin’ity namany nitsangantsangana sy nanala azy kely ilay mpandraharaha, ka iny nanapaka ny làlana amin’ny faritra hihazo ny seranam-piaramanidina iny izy roa, dia nosakanana « foroche »,  ary voaroba ny vola rehetra teny aminy. Rehefa nahazo ny remby notadiaviny ireo olon-dratsy, dia nitsoaka nandositra, ka mbola karohina fatratra amin’izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici