- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpandraharaha sinoa voatafika, lasan’ny telo lahy nitam-basy ny vola 15...

Sambava : Mpandraharaha sinoa voatafika, lasan’ny telo lahy nitam-basy ny vola 15 tapitrisa Ariary

Trano fisakafoana lehibe iray izay tantanana teratany sinoa mivady ao Antaimby Sambava no notafihana telo lahy tsy nisaron-tava voalaza fa nitam-basy, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny folo ora latsaka fahefany, ka voaroba lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lelavola 15 tapitrisa Ariary. Raha ny fanazavan’ny tompontrano lasibatra, dia fanaon’ izy mivady ireto ny mandefa ny mpiasan’izy ireo mody mialoha rehefa tapitra ny ora voafaritra hiasana, ka matetika ireo mpanjifa tratra farany mbola misakafo na misotro farany ao, dia izy mivady sisa no mikarakara azy ireo. Raha ny fantatra dia ireto jiolahy telo ireto no mbola nisotro farany tao, tamin’io fotoana io, ka raha iny handeha hanakatona ny varavarana iny ny tompon-trano, dia novelesin’ny roa tamin’ireo jiolahy tamin’ny « bois rond » teo amin’ny lohany ka torana tsy nahatsiaro tena. Ny jiolahy fahatelo kosa avy hatrany dia nitsofoka tany amin’ny efitra fatorian’ ireto mpivady sinoa tompontrano, ka namaky ny fitoeram-bola ary nibata ny sakaosy mbola mihidy feno vola, avy eo lasa nitsoaka. Araka ny tati-baovao voaray, dia voarakitra tao anaty « camera de surveillance » avokoa ny tranga niseho rehetra, izay tokony hanamora ny asan’ireo mpitandro filaminana manao fanadihadiana amin’ny fikarohana an’ireo olon-dratsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici