- Publicité -
vendredi, décembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpanera « taxi-brousse » nanolana zazavavy 12 taona, karohina fatratra

Sambava : Mpanera « taxi-brousse » nanolana zazavavy 12 taona, karohina fatratra

Mirongatra tato ho ato ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka ndao hiara-kientana hiady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy malagasy.

Zazavavy iray 12 taona no naolan’ny lehilahy mpanera taksiborosy tao anaty « douche », ny roa novambra lasa teo, tany Maroambihy, distrikan’i Sambava. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nandeha hantsaka rano ity « tsaiky hely » no nodebain-drangahy ary notereny hanaraka azy tao anaty trano fandroana iray somary mihataka ny tanàna, ka nanamparan’ity mpanera ny filan-dratsiny tao. Taorian’izay, norahonan’ity nahavanon-doza mafy ilay zaza tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zava-nihantra taminy. Enina taty aoriana, narary mafy razazavavy ka nentin-dreniny namonjy hopitaly. Teo no vaky am-batolampy ny nafenina rehetra, satria simba tanteraka ilay zaza, ary rehefa noteren’ny mpitsabo rakalakely, dia nitantara tamin’ny antsipiriany ny fanolanana nihatra taminy. Taorian’izay, nokarohina eraky ny tanàna ilay lehilahy nahavanon-doza, saingy tafatsoaka ity farany, ka ramatoa vadiny no nanaovan’ny mpitandro fanadihadiana lalina, mba hanampy ny zandary amin’ny fikarohana am-badiny voarohirohy nanolana zaza tsy ampy taona.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici