- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpangalatra akoho saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Mpangalatra akoho saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Na dia helohin’ny lalàna velona eto amintsika aza ny fanaovana fitsaram-bahoaka, dia mbola mirongatra sy mahazo laka foana izany tato ho ato any amin’ny Distrikan’i Sambava. Tovolahy iray mpanotra mitety tanàna avy any Marojala Lokoho monina any Ambodisatrana no voalaza fa tra-tehaka nangalatra akoho vavy iray tao Moratsiazo, ny faran’ny herinandro teo. Raha vao voasambotry ny Fokonolona ity voatondro ho mpangalatra ity dia niharan’ny daroka sy vono rehefa voafatotra tongotra aman-tanana. Soa ihany fa nalaky tonga ny mpitandro filaminana fa raha tsy izany dia zava-doza no niseho, satria efa romotry ny hatezerana ny olona teo an-tanàna nilaza fa isan’andro loatra ny fahaverezana akoho eo an-tanàna, ka mbola tsy misy tratra raha tsy ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici