- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpianatra nanao « selfie », nianjera avy eny ambony letchis

Sambava : Mpianatra nanao « selfie », nianjera avy eny ambony letchis

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita na fandre firy, izay nahavalalanina ny maro tao an-drenivohitry ny Faritra Sava no niseho ny 21 novambra teo. Araka ny tati-baovao voaray, dia ankizilahy iray mpianatra « classe de 3ème » sendra nihanika « letchis », ka naniraka ny zandriny mba halaina sary izy, no nibolisatra tampoka avy eny ambony hazo ary nidaraboka nianjera mafy tamin’ny tany. Voa mafy tokoa ity ankizilahy ity, ary mba ho famonjena ny ainy dia nalefa haingana notsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Sambava izy. Nandritra ny famangian’ireo mpiara-mianatra aminy sy ireo mpampianatra azy teny amin’ny hopitaly, izay naneho firaisankina ary samy nitondra ny tsirambin’ny tanana, dia nanoritra mazava tsara ny talen’ny sekoly ianaran’ity tovolahy kely tra-doza ity, fa nandritra ny fotoana tsy nianaran’izy ireo no nisehoan’ny loza, ary tsy tao anatin’ny faritry ny sekoly ihany koa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici