- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpianatra nisy naka an-keriny

Sambava : Mpianatra nisy naka an-keriny

Miara-misalahy ankehitriny ny Polisy sy Zandary, amin’ny fikarohana an’ilay tovovavy 16 taona antsoina hoe: R.N (Randrianomeniaina Natacha), mpianatry ny sekolim-pinoana tsy miankina iray ao Sambava, nataon’olon-tsy fantatra takalonaina nanjavona nanomboka ny 30 jona lasa teo, ka mbola tsy hita popoka tsy fantatra na maty na velona hatramin’izao. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia nandamoka tamin’ny ora farany ny vela-pandrika efa maty paika natao mba hahafantarana ny olona mitazona an-keriny an’ity tovovavy ity; izay tokony hiatrika fanadinana BEPC natao farany teo iny.

Takalonaina. Raha vao tsy nody an-trano i R.N, dia nametraka fitoriana avy hatrany tany amin’ny Polisy ny reniny. Tovolahy iray mpanety volo, monina ao Antanifotsy Sambava, voalaza fa sakaizan’ity tovovavy ity no nahiahiana ho mitazona an-keriny azy. Rehefa nahita ireo mpitandro filaminana nanao be midina hamonjy ny trano fonenany ity tovolahy ity, ny alarobia lasa teo, dia nitsoaka nandositra avy hatrany, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao.Ny faramparan’ny herinandro teo, dia niantso tamin’ny finday ny renin’i R.N ireo olona mitazona an-keriny azy. Nifanome fotoana ny roa tonta, indrisy rehefa tonga ny fotoana nifanomezana, nivadika tampoka ireo mpaka an-keriny, ary tsy tratra antso intsony nanomboka teo. Talohan’io, nisy fotoana ireo mpaka an-keriny nilaza fa any Fianarantsoa miaraka amin’ilay tovovavy nataon’izy ireo takalonaina. Mba hamotsorana haingana an-janany, dia vonona hanome ny zavatra rehetra takian’ireo jiolahy mitazona an-keriny an’ i R.N ny ray aman-dreniny, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici