- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Mpianatry ny CEG 14 taona maty an-drano, fatin-jaza 7 volana...

Sambava : Mpianatry ny CEG 14 taona maty an-drano, fatin-jaza 7 volana efa simba hita teny an-tanimboly

Tovolahy kely iray 14 taona, mpianatry ny Ceg ao Antanifotsy no hita faty rehefa natelin’ny rano, tao Antegnarano, Distrikan’i Sambava, afak’omaly alina. Araka ny tati-baovao voaray, dia nandro tamin’io renirano voalazan’ny mponina fa masia-dolo io ity zazalahy avy any Maroantsetra ity rehefa avy nirava nianatra ny antoandro.

Fa tany amin’ny Fokontany Ambodiampana Androranga, mbola tany amin’ny Distrikan’i Sambava hatrany, dia fatin-jazakely iray sahabo ho fito volana eo, no hita faty teny an-tanimboly afak’omaly naraina, ary simba tanteraka ny razana izay efa nofonosana lambamena. Taorian’ny fahitana ny razana moa dia nidina teny an-toerana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy.

Tovovavy mpianatra iray 16 taona, antsoina hoe : Marie Elsteline (Odrisia kely) avy ao Anjagnoveratra no tsy hita popoka efa ho herinandro izao. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, dia niala ny tokantranon’ny Ray aman-dReniny ity zazavavy ity, ary tsy fantatra na maty na velona hatramin’izao. Kivy tanteraka ny Ray aman-dReniny ankehitriny, satria tsy nahitam-bokany ny fikarohana natao rehetra momba an’ity menaky ny ainy. Raha ny tsilian-tsofina, dia voalaza fa nanaraka lehilahy ity tovovavy ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici