Miparitaka ny zavamahadomelina amin’izao. Ny alarobia hariva lasa teo dia rongony milanja 165 kg no tra-tehaky zandary, tao Antsahalalina any amin’ny distrikan’i Sambava, renivohitry ny faritra Sava, ka lehilahy roa tompon’antoka tamin’ity trafikana rongony ity no voasambotra, raha tafatsoaka kosa ny namany dimy afa-nandositra izay mbola karohina fatratra ankehitriny. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia nanohitra ary nikasa hamaly tamin’ny alalan’ny kapa antsilava ny mpitandro filaminana nisambotra azy ny iray tamin’ireo mpibizina rongony, ka voatery niaro teny ary nitifitra ny zandary. Rotiky ny bala ny tongotra havian’ilay jiolahy, ka voatery notapahin’ny mpitsabo mba ho fanavotana ny ainy. Raha ny fantatra dia avy any Sambirano ireto rongony tratra izay nokasaina hamidy ao Antalaha, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha.
Eric Manitrisa