- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpivaro-mandeha voatafika, lasan’ny jiolahy ny vola 2 tapitrisa Ariary mahery

Sambava : Mpivaro-mandeha voatafika, lasan’ny jiolahy ny vola 2 tapitrisa Ariary mahery

Mirongatra ary saika isan’andro, dia nahenoana asa ratsy foana tato ho ato, any amin’ny Distrikan’ i Sambava sy amin’ireo distrika telo hafa mandrafitra ny Faritra Sava renivohitry ny lavanila, ka lasa miaina ao anaty tahotra sy horohoro tanteraka ny ankamaroan’ny mponina ankehitriny tsy afaka mihary am-pitoniana intsony, ka manao antso avo amin’ny fitondrana sy tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka mba hamongotra farany haingana amin’izay ny firongatry ny asa ratsy mahazo laka amin’izao. Afak’omaly antoandro, roalahy mpivaro-mandeha avy aty Antananarivo no notafihana andian-jatovo mitam-piadiana, tao Antanifotsy Sambava, ka lasan’ireto “foroches” ireto tamin’izany ny lelavola mitentina 2,1 tapitrisa Ariary; izay voalazan’ny niharam-boina voaroba tamin’ny alàlan’ny tati-baovao voaray, fa vola tombom-barotra nandritra ny roa volana hatramin’ny nahatongavan’izy ireo tany an-toerana. Tsy nionona tamin’ny fandrobana an’ ireo volabe ireto andiana zaza madinika  mahery setra mitondra zava-maranitra ireto, fa mbola nalain’izy ireo an-keriny ihany koa ny  “sac à dos” roa, ka lasa tamin’izany ny entana sy kojakoja sarobidy maro, nahitana finday avo lenta. Ankevitry ny efa fantatr’ireto andian-jiolahy, fa niomana ny hody kely aty Andrenivohitra izy roa lahy ireto amin’ity herinandro ity no voatafika izao, ka na vola parata (Ariary) tsy misy any amin’ireto voatafika intsony.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici