- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpivarotra lavanila, voafitaka tamin’ny vola sandoka Ar.40 tapitrisa 

Sambava : Mpivarotra lavanila, voafitaka tamin’ny vola sandoka Ar.40 tapitrisa 

Miparitaka ny vola sandoka any amin’ny distrikan’i Sambava amin’izao, ka miantso ny vahoaka mba ho mailo hatrany ny mpitandro filaminana. Ny alatsinainy lasa teo, tantsaha mpivarotra lavanila iray indray no lasibatry ny olon-dratsy tamin’ny vola sandoka mitentina 40 tapitrisa ariary. Raha ny vaovao voaray, tsy nijery akory ireo volabe vidin-davanilany nafatratra tao anaty sakoasy ity mpivarotra lavanila, fa nentina nody avy hatrany ireo vola. Nony tonga tany an-trano anefa vao ankona sy taitra, fa hay tsy vola tena izy ireto azo, satria nitovy avokoa ny ankamaroan’ny laharan’ny tarehimarika tamin’ireo roa alina ariary. Nametraka fitoriana teny amin’ny Zandary ity rangahy lasibatra, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao ireo mpanao heloka bavava. Manoloana ny fiparitahan’ny vola sandoka any amin’ny Faritra Sava, dia nanambara nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety, afak’omaly, ny Lietnà Christian Ramahaly Fanomezantsoa, Chef GAPJ (Groupe d’Appui à la Police Judiciaire), fa « hiezaka izahay avy ato amin’ny Zandarmaria hanatratra ny tompon’antoka amin’ny fanamboarana ireo vola sandoka. »

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici