Tamin’ny faran’ny herinandro teo, lehilahy iray mpividy lavanila no nisy namono tany amin’ny toerana antsoina hoe Nasaina, fokontany Marodrala, any Sambava. Mirongatra ny fanafihan-jiolahy any an-toerana amin’ny fotoana fiakaran’ny lavanila. Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no niseho ny fanafihana. Araka ny loharanom-baovao, toa efa fantatr’ireo mpanendaka ny fisian’ny volabe tany amin’ilay olona hividy lavanila. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa nandrasan’ireo bandy tamin’ny toerana mangina ilay nitondra vola. Tonga dia notaperin’izy ireo ny ainy. Notapahina ny tendany ankoatra ny tsindrona antsy nianjady taminy. Nalain’ireo olon-dratsy tamin’izay ny zavatra rehetra tany aminy, vola mitentina 28 tapitrisa ariary, ny entana rehetra hatramin’ny lavanila vao avy novidiana.
Rehefa nahazo ny vaovao ny mpitandro filaminana dia nosokafana ny fanadihadiana. Hatramin’izao aloha, tsy mbola nisy ny olona fantatra fa namono sy nandroba io olona io.
r.s.