Naiditra am-ponja vonjimika ilay lehilahy lehibe 67 taona nanolana zaza 12. Tany amin’ny faritry Sambava no niseho ny fanolanana. Zaza notezain’ity lahilahy ity sy vadiny io naolany io. Indray hariva, lasa nandeha namonjy fivoriana tany am-piangonana ilay ramatoa ka tamin’izay no nanararaotan’ilay lehilahy lehibe ny fametavetana ilay zazavavy. Ny faha14 oktobra lasa no niseho ity zavatra ity. Vao tafaverina tao an-trano ilay vehivavy dia efa nitaraina narary kibo ilay zaza. Ny ampitso, nentiny tany amin’ny dokotera ary nahazo ody kibo. Tsy nijanona anefa ny aretina ary nitomany hatrany ilay ankizy. Sady naharary no natahotra ny ho kapohan’Ingahibe. Farany, nisy olona nanambitamby azy nanontany ny zavatra nanjo azy. Tamin’izay izy vao niresaka. Roa herinandro taty aoriana vao vaky ny nafenina. Nentina nozahan’ny mpitsabo ka io no nanome taratasy fanamarinana fa voaolana io ankizy io. Nampandrenesaina ny rainy niteraka azy ary rehefa nanatona manampahefana ka tsy nahita rirany dia nitondra ny raharaha tany amin’ny mpitandro filaminana. Nandeha ny fanadihadiana ka niatrika ny Fampanohavana ilay rangahy lehibe. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa ho tanana am-ponja vonjimaika ity olona ity.
REMI, Rakotonirina