Norahonany ireo Skoto nilasy tao an-tanàna natory tao am-piangonana lehibe iray tao Tsararivotra. Amin’ny andro misasakalina ny asabotsy teo no nokorontanin’ity lehilahy ity ny iray fiangonana. Norahonany ho faty ny olona, toraka izany koa ny pasitera sy izay mpitarika fiangonana rehetra. Efa nanomboka namaky ny varavaram-piangonana tamin’izay ilay lehilahy no taitra ny manodidina. Raikitra ny fifanjevoana ary soa fa maro ny vatan-dehilahy ka nahavita nisambotra ilay mpanakorontana. Raha araka ny fanazavan’ny olona tany an-toerana dia nifanandrify tamin’ny fandalovan’ny zandary mpanao fisafoana tany an-toerana koa ny fifanjevoana ary teo vao mainka nanamora ny fisamborana. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana omaly mba hamantarana izay antony mety nanosika ity lehilahy ity ny hanakorontana ny fiangonana.
D.R