Habibiana indray no nitranga tany Soavinandriana Sambava, ny alarobia alina lasa teo. Tovovavy kely iray tokony ho 15 taona no namoy ny ainy rehefa avy nodarohan’ity raikeliny tao an-trano, ny alin’ny alarobia lasa teo. Tsy vitan’izay fa rehefa tsy nisy aina intsony ity ankizivavy ity dia naleviny teo an-tokotany ihany, metatra vitsivitsy miala ny tranony. Nitsoaka kosa ilay rangahy, ary tsy hita popoka hatramin’ny omaly. Araka ny fampitam-baovao avy tany an-toerana dia toa hoe tsy nety niaraka tamin’ity rangahy ity ilay zana-badiny ka dia izao novonoiny ho faty izao. Raha ny zava-nitranga mantsy tamin’io alina io, nahenoana hikiaka sy antso vonjim-behivavy tao amin’ilay trano, izay nanaitra ny mponina teo amin’ny manodidina. Nampandrenesina mahakasika izany ny tompon’andraikitra misahana ilay faritra, izay avy hatrany dia tonga tao amin’ilay trano. Nandà ny fisian’izany zava-nitranga izany ilay rangahy, izay izy irery no tao an-trano. Nanonantiana mahakasika an-dramatoa vadiny ihany koa izy dia nolazainy fa tsy ao fa nisy zavatra nataony any an-toeran-kafa. Lainga avokoa anefa izany rehefa tena nohadihadiana. Niverina tao amin’ilay trano ireo tompon’andraikitra sy ny fokonolona, ka efa tsy tao intsony ity lehilahy ity. Dongon-tany hafahafa, izay voamarika avy hatrany fa vao avy nangadiana no nanintona ny mason’izy ireo. Rehefa nohadiana io tany io dia vatana mangatsiakana tovovavy 15 taona, ilay zana-badiny no tao. Fantatra fa efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, ary efa mandeha ny fikarohan’ity raikely nahavanon-doza ity.
m.L