- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Olona hita faty nokendaina tao an-tranony

Sambava : Olona hita faty nokendaina tao an-tranony

Nambaran’ny Kaomisera Saramba Joseph taminay fa izy mihitsy no nidina tany an-toerana sy nitarika ny fanenjehana ny olon-dratsy sy ny famotorana ireo olon-dratsy noahiahiana ho nahavita ny heloka bevava famonoana ka nahafatesana an’Itompokolahy Moustak, zanak’Atoa Rajabaly ao Sambava Centre. Tao ambony rihan’ny tranovato ivarotany no onenany. Hoy ihany io kaomisera io taminay hoe:  » Araka ny kajikajin’ilay dokotera niaraka taminay tany dia  » teo amin’ny 10 ora, ny alin’ny sabotsy faha 21 marsta, no namonoan’ny sasany azy ity ».  » Mbola hitanay polisy teo ambavahadin’ny varavarana idirana mankany amin’ny tohatra miakatra mandeha amin’ny trano fonenany any ambony rihana no nahitana ny solomaso fotsy fanaony isan’andro, niforitra roa, sy ny savaty avy nanaovany. Tany an-tranony any ambony rihana tany kosa no nahitanay ny niamparan’ny razana« .  » Nambaran’ny dokotera taminay, hoy ihany ny kaomisera, “fa nokendain’ny mpanafika azy ity olona ity ». « Mbola hitan’ny polisy sy ny dokotera niaraka taminy tany mba hijery ny razana tao amin’ny trano fonenany ny tongony anankiroa sy ny tanany anankiroa notadian’izy ireo ary ny vavany nofehezina tamin’ny lamba, ary ny ativavany notsentsenana taratasy. Nambaran’ny mpiasany vitsivitsy nofotopotorin’ny polisy fa saika hampiasain’ilay karana izy ireo tamin’io sabotsy io nefa mbola navelany hody ihany avy teo, hoy ihany ny kaomisera. Nambaran’ireo mpiasa ireo taminay, hoy ny kaomisera ny olona iray efa nanafika sy efa nogadrain’ilay karana indroa miantoana koa. Nosamborinay io olona io ary izy koa no nanambara ny namany iray mivezivezy avy any Toamasina manketo Sambava ary efa nigadra indroa tao am-ponjan’Antalaha koa. Niaiky heloka vitany izy ireo.

 REMI, Rakotonirina

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser