Nahazo laka tamina faritra maro teto amintsika ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Lehilahy iray voasambotra namono nahafaty tovolahy iray tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny alalan’ny tsindrona antsy tao anaty fampakaram-bady, ny asabotsy tolakandro teo, tany Marojala Bemalamatra, Kaominina Nosiarina, no matin’ny fitsaram-bahoaka, afak’omaly, tany Sambava. Rehefa nihosin-drà ilay tovolahy niharam-boina dia nentin’ny havany haingana namonjy hopitaly. Indrisy fa teny an-dalana dia tapitra tao anaty laka-motera lany solika teny afovoan-drano nitondra azy ilay voatsindrona andry. Maso solon’ny maso. Raha vao naheno ny vaovao ny fokonolona tany an-tanàna dia tezitra, ka raikitra avy hatrany ny valifaty tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka, ary tsy afa-bela ilay nahavanon-doza fa namoy ny ainy ihany koa. Talohan’ny nahatongavan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, dia napetraky ny olona teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ny fatin’ity mpamono olona nifatotra tongotra aman-tanana. Maso solon’ny maso ! Lehilahy roa izany no indray maty tamin’ny fampakaram-bady ity, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa