Nisehoana fanolanana misesisesy tany amin’iny faritra Sava iny tato ho ato ary saika olona manana ny maha izy azy avokoa no tompon’antoka amin’izany. Pasiterana fiangonana zandriny iray tany Sambava no voalaza fa nanolana zazavavy kely enin-taona tao am-piangonana ny 12 Aogositra lasa teo. Notambatambazany ity zaza ity ary nampihariny ny filan-dratsiny, tao ambadiky ny pilopiotra avy eo, araka ny vaovao voaray hatrany. Noho ny tahotra dia tsy nilaza ny nahazo azy ity zaza ity raha tsy ny fitrangan’ny aretina nahazo azy taty aoriana. Fantatra tamin’izany fa simba tanteraka ity zazavavy kely ity. Ilay pasitera kosa raha nahare fa nisy nahafantatra ny nataony dia nitsoaka taty an-drenivohitra ny 14 Aogositra lasa teo. Napetraka ny fitoriana ity Pasitera ity ary efa mandeha ny fitadiavana azy. Mitaraina ireo mponina any an-toerana, fa saika vitavita mora ho azy eny foana ny tranga toa izao any amin’iny faritra iny. Ary ireo voasambotra dia mazàna votsotra foana, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L