- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Poizinin’ireo jiolahy ny iray tanàna, alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny

Sambava : Poizinin’ireo jiolahy ny iray tanàna, alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny

Mody mitondra kojakoja isan-karazany hamidy ireo olon-dratsy rehefa atoandro ny andro. Raha iny variana mitangorona iny olona no manararaotra manaparitaka ny poizina eraky ny tanana ny naman’izy ireo hafa. Mitango ny vokatra fotsiny amin’ny alina …

Ny alin’ny alatsinainy lasa teo, tokantrano iray tao amina tanana kely iray ao amin’ny fokontany Belaloana, kaominina ambanviohitra Ambodiampana, distrika Sambava no saika lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto. Nahatsara azy, hoy ny fampitam-baovao azo, dia nisy iray tamin’ireo tompon-trano tsy mbola nisakafo na nisotro rano ka tsy voapoizina. Ity farany no niezaka niantso mpitandro filaminana haingana rehefa nahita ireo olon-dratsy nihaodihaody sy nibata izay zakan’izy ireo tao aminy. Tonga avy hatrany tamin’io alina io ihany moa ireo zandary ka niroso tamin’ny fisamborana ireo olon-dratsy.  Ny iray tamin’ireto farany no tratra ary tsy niandry ela taorian’izay ny fahatrarana ireo namany roa lahy hafa. Mbola nahatrarana ilay fanafody mahery vaika fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny moa tany amin’ireto olon-dratsy ireto tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo, ankoatry ny fitaovana amin’ny famakiana trano sy zava-maranitra hafa.

Marihana, raha ny fampitam-baovao azo, dia efa maromaro ireo tanana kely voan’ireto andian-jiolahy ireto tany amin’iny faritra Sava iny. Araka ny fantatra mantsy, dia mitovy avokoa ny tetik’ady entin’izy ireo manao izany asa ratsy izany. Manao andiany maromaro izy ireo mitety tanàna, (irony tanana zara raha misy tafo vitsivitsy irony) mody hoe mpivarotra, mitondra kojakojan-tokantrano isan-karazany. Rehefa variana mitangorona amin’ny entana isan-karazany ireo olona, ny sasany amin’izy ireo kosa mandeha manaparitaka ilay fanafody mahery vaika anaty sakafo na rano fisotro eo an-tanàna. Ny hariva rehefa misakafo sy misotro rano ireo olona dia voapoizina ary tsy misy mahatsiaro tena. Eo amin’izay no miditra an-tsehatra izy ireo mibata izay azo bataina rehetra. Voalazan’ny fampitam-baovao, fa ireo zavatra sarobidy  sy vola ao an-tokantrano ary ireo vokatra lavanilina no tena ataon’izy ireo mahita faisana tokoa. Heverina, fa mbola misy naman’ireo telo lahy ireo mandehandeha any. Efa eo am-pikarohana izany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Izy telo lahy kosa notanana natao fanadihadiana ary hatolotra ny Fampanoavana any an-toerana amin’ny fotoana mahamety azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici