Raha nahatsiaro ireo rà latsaka ny teto an-drenivohitra, ny 7 febroary lasa teo, fifamonoana tsy nisy toa izany kosa no nitranga tany amin’iny distrikan’i Sambava, tao amina fianakaviana iray tamin’io fotoana io. Raim-pianakaviana namono nahafaty ny vadiny, avy eo maty novonoin’ny zanany lahy. Ity farany nitsoaka nony avy eo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia tao amin’ny tanana iray antsoina ho Bealampona, ao amin’ny kaominina ambatoafo, distrika Sambava no nitrangana ity vono olona mahatsiravina ity. Voalaza teo fa nisy fifamaliana teo amin’ireto mpivady, hita faty tanaty rà mandriaka ireto. Rehefa nitohy anefa ny fifamaliana dia niafara hatramin’ny fikasihan-tanana izany, rehefa tsy nahatsindry fo intsony ilay rangahy. Tsy nisalasala velively ity farany nanindrona antsy lava na « coupe-coupe » ny vadiny. Maty tsy tra-trano ilay ramatoa tamin’io fotoana io. Rehefa nahita ny reniny nitolefika sy nivoa-drà ilay zanany lahy ka tezitra ary niezaka namaly faty ilay reniny. Ny fitaovam-piadiana namonon-drangahy an’ilay renim-pianakaviana ihany indray no navadik’ilay tovolahy hamonoana ny rainy nony avy eo. Ary tsy navelany raha tsy « aina solon’ny aina ». Taorian’izay moa dia nitsoaka ity farany, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ny mponina teo an-tanana ihany no nampandre ny mpitandro filaminana mahakasika ireto vono olona ireto ary efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo zandary tany an-toerana. Efa mandeha ihany koa araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
m.L