- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Ramatoa iray maty nianjera rehefa avy nisintona zazakely teny amin-janany...

Sambava : Ramatoa iray maty nianjera rehefa avy nisintona zazakely teny amin-janany vavy

Niverina avy tany an-tsaha ny ramatoa iray manan-janaka vavy iray efa niteraka ary mbola mampinono ny zanany farany. Mamon-toaka anefa itsy ramatoa mbola mampinono itsy ka renoky ny torimaso tao an-tranon-dreniny lasa tany an-tsaha. Ao anatin’izany dia reraky ny tomany ilay zazakely zanany. Ontsa an’ilay zazakely tora’ny tomany ny mpifanolobodirindrina amin’ilay tany an-tsaha ka nitantarany ny zava-nisy.  » Te hinono io zazakely io, hoy izy tamin’ny renin’ilay mamo, ka nobatainy ilay zazakely. « Ndao hapetraka eo an-kilandreniny ity zaza kely ity mba ho afa-minono. Nosakanan’drenibeny izany hevitry ny mpifanolo-bodirindrina izany. Vaky teo ny fifanatsoritan’izy roa vavy: ny mpifanolo-bodirindrina mametraka an’ilay zazakely mba hinono amin-dreniny mamo ary ny reniben’ilay zazakely kosa nanakana sady tsy nanaiky mihitsy ny hampinonoana ny zafiny amin-dreniny mamo. Tsy nahatazona ilay reniben’zazakely ka lavo. Nidona tamin’ny sisin’ny latabatra iray vita amin’ny hazo izay tsy lavitra azy ireo teo ny hatok’ilay reniben-zazakely ka maty tsy tra-drano. Asa indray koa izay ho tohin’ity tantara ity?

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici