Renim-pianakaviana iray 35 taona eo no hita faty omaly naraina, tao amin’ny fokontany Ambodisatrana I ao an-tampon-tanànan’i Sambava. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity vehivavy ity rehefa avy naolana, ary teo amin’ny “Epi-bar chez Franck” teo aloha no nahitana ny razana. Taorian’ny fizahana tsy maintsy natao, dia napetraka tao amin’ny biraon’ny fokontany Ambodisatrana I akaikin’ ny fiangonana katolika ny vatana mangatsiakan’ity ramatoa hita faty, niandry ny fianakaviany naka ny razana. Ny talata maraina teo, mbola tao amin’ny Fokontany Ambodisatrana I hatrany, dia tovolahy iray mpivarotra 20 taona no nisy namono ary nahanton’ ireo tsy mataho-tody tamin’ny tady tamina hazo lehibe iray, tao amin’ny kianja filalaovam-baolin’i Sambava ny fatiny. Olona sendra handeha hanao fanazaran-tena vao maraina tao amin’ity “Stade Municipal” ity no nahita ny razana, tokony ho tamin’ny enina ora, ka nampandre haingana ireo solontenam-panjakana. Manoloana ny firongatry ny vono olona sy halatra lavanila manta ary fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahazo laka, saika isan’andro amin’izao ao Sambava sy amin’ireo Distrika telo mandrafitra ny Faritra Sava, dia manaitra ny tompon’andraikitry ny filaminana sy misintona lakolosy fanairana amin’ireo mpitondra ny Lehiben’ny andrimasom-pokonolona any an-toerana.
Eric Manitrisa