- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Rangahy nanolana tovovavy roa, saika matin’ny fokonolona

Sambava : Rangahy nanolana tovovavy roa, saika matin’ny fokonolona

 Nolazain’ity rangahy iray fa nangalatra ny mananasiny  ireto tovovavy roa ireto  ka naolany. Vao naheno izany ny fokonolona avy hatrany dia nirohotra hisambotra ity voatondro. Notazonin’izy ireo avy hatrany ilay rangahy nahavanon-doza ka nohidiny tao amin’ny biraom- pokontany miandry ny saziny. Tsy nanaiky anefa  ny olona sasany ka nitaky ny  hamoahana azy hampiharana ny fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky ity fangatahana anefa ny lehiben’ny fokontany. Noho ny fisavorovoroana dia tafatsoaka ity rangahy fa voasambotra kosa ny ampitso maraina be ihany. Raha araka ny fampitam-baovao voarainay, dia ny alarobia lasa teo no nitranga ity raharaha ity.Tamin’ny valo ora maraina dia tovovavy  17 taona sy 15 taona  nandeha nioty ny mananasiny no tratran’ity rangahy ka nendrikendrehany ho naka ny azy ihany koa. Nambanany antsibe izy roa vavy ka notereny hanaraka azy any anaty ala. Nony tonga teny an-toerana dia nasesiny naolana ireto tsy manan-tsiny izay  tsy afaka nanohitra akory. Ny mitatao vovonana vao tonga tany an-tranon -dray aman-dreniny vao afaka nitantara ny zavatra nahazo azy izy roa vavy. Nitombo ny hatezeran’ny mponina taorinan’ny fitsoahany ka tsy maintsy nandray an-tànana ny raharaha ny ben’ny tanàna teny an- toerana. Niantso ny borigady avy hatrany ka izy ireo no nitondra ity rangahy nanaovana famotorana. Raha tsy nisy manampahefana tonga ara-potoana, dia efa matin’ny fokonolona indray ity mpanolana ity.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici