Trangam-piaraha-monina nahavalalanina ny maro no niseho, tao amin’ny fokontany Ambodihazomamy, any amin’ny Kaominina ambanivohitry Morafeno, Distrikan’i Sambava, ny harivan’ny zoma lasa teo. Renim-pianakaviana tanora iray sahabo ho 27 taona eo no maty tsy tra-drano notapahim-badiny tamin’ny antsibe lavalela ny lohany. Ny narainan’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny enina ora, vao nisy nahatsikaritra ny zava-nitranga, ary razana nitsirara efa tapaka vozona no hita tao an-trano. Ny vady andefi-mandrin’ity tovovavy hita faty nihosin-drà ity ihany, izay antsoina hoe : Jean Edino (27 taona) no ahiana ho namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana tsy roa aman-tany am-badiny.
Hasarotam-piaro. Taorian’ny habibiana vitany, dia nitsoaka ny nahavanon-doza, ka karohina fatratra atao hazalambo amin’izao. Manoloana an’ity vono olona nahatsiravina ity, dia efa misokatra ny fanadihadiana lalina ataon’ny Zandarimaria ao Sambava, izay mandray an-tànana ny raharaha sy fikarohana ny/ireo olon-dratsy. Noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra no fantatra fa antony namonoan’ity tovolahy voalaza fa mamon-drongony ny andefimandriny. Ity farany, raha araka ny tati-baovao voaray, dia namonjy lanonana (fety Tsaboraha) tany an-toeran-kafa, ka raha vao nigadona tao an-tranony ity renim-pianakaviana ity nony hariva ny andro, dia raikitra ny ady, satria romotry ny hatezerana ramose ; izay tsy nisalasala akory fa nikapa avy hatrany ny tendan-dramatoa tamin’ny antsibe efa norangitiny maranitra tsara nialoha, tamin’ny fotoana tsy naha tao an-tranony ny vadiny.
Eric Manitrisa