Tsy kely lalana ny olon-dratsy ankehitriny izay te-hanan-karena tampoka. Tovolahy iray 25 taona eo, mpisoloky avolenta amin’ny varotra vatosoa sandoka, no voasambotry ny Zandary, afak’omaly naraina, tao Sambava-Centre. Teo am-pitadiavana mpividy tamin’ny vatosoa sandoka milanja 18g eo ity mpisoloky ity no tra-tehaka noho ny fanomezam-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana, ary saika hamidy 3,6 tapitrisa Ariary ireo safira hosoka izay namboarina tamin’ny vakim-pitaratra, ka rehefa nalona menaka nandritra ny fotoana ela tao anaty “sachet”, dia lasa mitovy loko amin’ny vatosoa tena izy. Nandritra ny famotorana lalina natao azy no nilazan’ity jiolahy avy any Belambo, Kaominina Antsirabe Nord, Distrikan’i Vohemar ity, fa avy any amin’ny tany niaviany no nanamboarana ireo vatosoa, ary mbola manana lehibe ny mpaniraka azy ka handeha hitady tombony fotsiny no anton-diany ao Sambava. Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha omaly antoandro ity mpisoloky, ary naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy kosa ny fikarohana an’ireo namany, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana.
EricManitrisa