Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’iny faritra Sava iny omaly. Roa lahy izay voalaza fa namono sy nanolana ramatoa iray no voasambotry ny fokonolona, tao Tanambao Daoud, distrika Sambava omaly maraina. Namaly faty avy hatrany ny fianakavian’ny maty ary namono azy roa lahy ireto.
Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao azo tamin’ireo zandary tany an-toerana dia nisy vehivavy iray, tsy hita efa ho efatra andro tany an-toerana. Nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ireo fianakaviana mahakasika izany. Ny alatsinainy hariva teo anefa no nisy nahita ity ramatoa ity saingy efa vatana mangatsiaka sisa. Tsy vitan’izay fa toa mbola nampijalijaliana ilay ramatoa talohan’ny namonoana azy satria dia toy ireny nodorana ireny ny fahitàna ny razana. Ambonin’izay dia voalaza ihany koa fa voaolana io vehivavy io. Nandray ny andraikiny tamin’ny fikarohana izay nahavanon-doza avy hatrany ny zandary. Nanao fanadihadiana azy manokana ihany koa anefa ireo fokonolona sy ny fianakavian’ny maty ka nisy roalahy izay noahiahiana sy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany vono olona feno habibiana izany nosamborin’izy ireo. Nentina niakatra avy hatrany tao amin’ny renivohitry ny kaominina ireto roa lahy ireto niandrasana ireo zandary hanantanteraka ny famotorana. Tsy nahandry izany anefa ny fokonolona sasany sy ny fianakavian’ny maty fa naka ireto roa lahy, nentina natao fitsaram-bahoaka. Tsy namelan’iretsy voalohany raha tsy aina solon’ny aina ka dia novonoin’izy ireo, ireo roa lahy ary notaritarihin’ny fokonolona tao an-tanana, nihazo ny toerana nahitàna ny razan’ilay ramatoa. Efa nidina tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ny zandary notarihana manamboninahitra niezaka nandamina ireo mponina. Andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha.
m.L