- Publicité -
vendredi, août 8, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Romotra amin’ny mpangalatra lavanila ny olona

Sambava : Romotra amin’ny mpangalatra lavanila ny olona

 Nihasarotiny amin’ny vokatra lavanilina niasany sy nisasarany mafy tamin’ny asa lavaniliny ny mpamokatra lavanilina  any amin’ny fokontany ka dia andrasany mafy dia mafy tokoa ny ambim-boan-davaniliny tsy nosimbain’ny rivodoza Enwo farany teo. Na dia maro dia maro tokoa aza ny tahon-davanilina naripany amin’ny tany ary ny voany koa tsy afa-bela amin’ izany tapaka niala amin’ny tahony ka latsadatsaka etsy sy eroa. Na dia reraky ny asa eny an-tanimbary sy ny asa hafa eny an-tsaha aza dia tsy matory izy ireo miaraka amin’ny Filohan’ny fokontany sy ny andrimasom- pokonolona na « quartier mobile ». Ny 09 marsa 2017 lasa teo, manodidina ny misasakalina, raha nanaraka ny lalam-pirenena faha 5A mampitohy an’i Sambava sy Vohemar ireo andrimasom-pokonolona dia nahatsikaritra olona avy any anaty ala,  sady nilanja entana. Râha vao nahita an’izy ireo ny andian’andrimasom-pokonolona dia lasa nirifatra nandositra izy ireo,  ka nentiny ihany aloha ny remby azon’izy ireo. Nihalava anefa ny lalana ary mavesatra ny entana nentin’izy ireo, hany ka navelan’izy ireo teo ny entan’izy ireo. Raha nojeren’iretsy andrimasom-pokonolona iretsy ny tao anatin’ny entan’izy ireo dia hita fa lavanilina manta vao nosangorina teny ifitony. Nenjehin’ireo andrimasom-pokonolona ihany izy ireo ka tratra izy roa lahy. Lavanilina 17 kilao no azon’izy ireo, tovolahy vao 17 taona sy  27 taona avy ao an-tanànan’Andranomadio ihany. Naterin’ireo andrimasom-pokonolona any amin’ny biraon’ny Poste Avance-n’ny Zandarimariam-pirenena ao Anjangoveratra izy roa lahy amin’izao fotoana izao.
REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici