- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Rongony 227 kilao ihany koa sarona, efa-dahy nosamborina

Sambava : Rongony 227 kilao ihany koa sarona, efa-dahy nosamborina

Tsy any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny ihany akory no mirongatra ity fiparitahan’ny zava-mahadomelina ity fa na any amin’ny tapany Avaratra ihany koa aza. Ny alakamisy lasa teo tokoa mantsy dia rongony nafatratra tao anaty gony miisa 14 indray no saron’ny zandary tao Antsahalalina, kaominina Ambohimalaza, distrika Sambava. Mitontaly eo amin’ny 277 kilao teo ho eo ny lanjan’ireto zava-mahadomelina ireto rehefa nolanjaina. Niaraka tamin’ireto rongony ireto moa dia nisy olona efatra, izay mpilanja azy ireo ihany koa no nosamborina sy nanaovana fanadihadiana. Fantatra anefa nahatratra teo amin’ny valo lahy teo izy ireo nilanja ireto gony feno rongony ireto saingy tafaporitsaka ireo sasany.

« Fanaraha-maso nataon’ny zandary avy ao amin’ny État-major Groupement SAVA izay nanao « barrage routier » ka nahazo fanomezam-baovao avy tamina olona tsara sitra-po anelanelan’ny CR Morafeno sy Ambohimalaza no nahazoana ny vokatra », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Tamin’ny famotorana nataon’ireto olona nitondra ireto rongony dia fantatra fa avy any amin’iny faritra Diana iny ireto « entana », ka nokasaina haparitaka sy hamidy any amin’iny distrikan’Antalaha iny. Tsy mijanona hatreto ny famotorana mahakasika ity raharaha bizina rongony ity fa mbola mitohy hatrany ny ezaka. « Manentana hatrany ny vahoaka ny zandarimaria mba tsy hisalasala hanome vaovao fa izany no ahafahana miady amin’ny zava-mahadomelina sy mametraka fandriam-pahalemana maharitra ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici